|
Dia niseho
i Jaona izay nanao batisa tany an-tany efitra ary nitory ny batisan’ny
fibebahana ho famelan-keloka. Marka 1:4
Ary ny vahoaka rehetra sy ny mpamory hetra raha nandre dia nanamarina an’Andriamanitra, satria natao batisa tamin’ny batisan’i Jaona izy ireny. Fa ny Fariseo sy ny mpahay lalàna kosa dia nandà ny fikasan’Andriamanitra satria tsy mba nanatona hataon’i Jaona batisa. Lioka 7:29-30 |
|
Koa
tamin’ny batisa dia niara-nalevina Taminy ho amin’ny fahafatesana
isika, mba ho tahaka ny nananganana an’i Kristy tamin’ny maty tamin’ny
voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin’ny fiainam-baovao.
Romana 6:4
Dia tsy tamin’ny asa mety ho nataontsika tamin’ny fahamarinana, fa araka ny famindrampony kosa no namonjeny antsika, rehefa nosasana tamin’ny fahaterahana indray sy ny fanavaozana nataon’ny Fanahy Masina. Titosy 3:5 Izaho dia manao batisa anareo amin’ny rano ho amin’ny fibebahana; fa Ilay avy ao aorianako no mahery noho izaho ka tsy mendrika hanaisotra ny kapany aza aho; Izy no hanao batisa anareo amin’ny Fanahy Masina sy ny afo. Matio 3:11 |